Nisy lehilahy iray tokony ho 25 taona, hita faty teo akaikin’ny fiandrasana bus Manambina Ambohimangakely, omaly, tamin’ny 05 ora hariva. Tsy nahitana taratasy famantarana ny mombamomba azy teny aminy. Tsy misy mahalalala azy io ihany koa ny mponina eny an-toerana. Iangaviana araka izany, ny fianakaviany mba handeha hijery ny razana eny an-toerana.
Mpamboly rongony tany amin’ny fokontany Ambondro Ambatomitsangana, Maintirano, voasambotry ny polisimpirenena omaly maraina. Nahazo vaovao mahakasika ny fisian’ny lehilahy mamboly rongony izy ireo ka nidina ifotony. Nahitana zanaka rongony 151 fototra sy fonosana rongony 33 tao amin’ny trano fonenany. Nentina eny anivon’ny Sampandraharaha misahana ny fikarohana fandikan-dalàna (SRPJ) Melaky izy nanokafana fanadihadiana.
Mpamaky trano iray voasambotry ny polisimpirenena teny ivandry, ny alin’ny 6 janoary 2025 lasa teo. Nifanehatra tamina telo lahy ny Polisy, nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo tany anelakelan-trano. Nandositra ireto olon-dratsy ka raikitra ny fifanenjehana. Voasambotra ny iray raha tafaporitsaka ny namany hafa. Nahitana saron-tava, fitaovana fanapahana vy ary antsy teny aminy, nandritra ny fisavana.
Moto halatra iray tratehaky ny polisim-pirenena tetsy Soanierana, ny alatsinainy 5 Janoary 2026 lasa teo, tokony ho tamin’ny 05 ora maraina. Nahazo vaovao mikasika ny fisian’ny olona mampiahiahy manosika moto teny amin’ny faritry ny Jirama Soanierana ny polisy. Nidina ifotony avy hatrany izy ireo taorian’izay. Vao nahita ny mpitandro filaminana anefa ilay mpanao ratsy, dia nirifatra nandositra. Navelany teo kosa ilay moto ary naverina tamin’ny tompony.




