Famatsiana herinaratra : Hiampy 43,5 MWc ny RIA amin’ny faran’ny volana janoary

Hiampy 43,5 MWc ny herinaratra eto amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) amin’ny faran’ity volana janoary ity. Herinaratra vokarin’ny tobim-pamokarana mandeha amin’ny masoandro efatra vao naorina, dia Ambatomirahavavy, Ambohidrano Ilafy, Mangatany ary Ampangabe.

Nanamafy izany ny minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo, Ralitera Ny Ando Jurice, nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ ny fahitalavi-pirenena, ny talata teo. “Efa vonona hanampy manontolo ny ao amin’ny RIA ireo tobim-pamokarana mandeha amin’ny herin’ny ma­soandro ireo amin’ny faran’ity volana ity,” hoy izy. Anisan’ny fepetra maika noraisin’ny fitondram-panjakana hanamafisana ny famokarana herinaratra eto Antananarivo ny fampandehanana ireo fotodrafi­trasa ireo. Nilaza ihany koa ny minisitra fa nandeha miaraka amin’izany ny fanarenana ireo toby famokarana herinaratra mandeha amin’ny solika tantanan’ny Jirama. “Efa amboarina tsikelikely ireo foibe mba hiverina amin’ny tanjany feno,” hoy hatrany izy.

Famatsiana
Marihina fa efa mamokatra 13,5 MW amin’izao fotoana izao ny toby CTA II ao Ambo­himanambola. Kendrena ny hahatratra indray ny tanjany feno 24 MW alohan’ny faran’ ny volana. “Miroso ny asa fa­namboarana any an-toerana”, hoy ny fanazavany. Etsy ankilany, amboarina ihany koa ny toby Aksaf, izay kasaina hampiakatra ny famokarany ho 60 MW, raha 47 MW izany amin’ izao. Mahakasika ny fama­tsiana herinaratra any amin’ny faritra, nanambara ny minisitra fa amboarina ireo milina mpamokatra herinaratra simba. “Nividy sy nampiditra milina vaovao koa ny fanjakana ho fanamafisana maharitra ny famokarana nasionaly”, hoy izy nanome toky. Noha­ma­fisiny anefa fa tsy mijanona amin’ny famokarana irery ny vahaolana. “Rohy iray manontolo ny herinaratra, manom­boka amin’ny famokarana ka hatramin’ny fizarana sy ny fitaterana”, hoy ny minisitra Rali­tera Ny Ando Jurice.

Henintsoa

Partager sur: