Nanambara tamin’ny alalan’ny taratasy ofisialy ny Direction générale du Budget et des Finances (DGBF) fa hisitraka ny « Complément d’IIR » ireo mpiasam-panjakana efa misotro ronono. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanavaozana ny fitantanan-draharaha ara-panjakana izany, ary tanterahina araka ny fahafahan’ny tetibolam-panjakana. Araka ny fanazavan’ny DGBF, « fanatanterahana feno ny Statut Général des Fonctionnaires no tanjona, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana ity famenon-karama ity ho an’ireo efa misotro ronono ». Nohamafisiny fa afaka maka ny « bon de caisse » mifandraika amin’izany eny anivon’ ny minisitera niasan’ilay mpiasa talohan’ny fisotroan-dronono, indrindra eny amin’ny DRH na SRH. Na izany aza, « ampahany amin’ny elanelam-bola ihany aloha no haloan’ny fanjakana ao anatin’ny fotoana fohy », hoy hatrany ny fanazavana. Nampiana fa « hotohizana tsikelikely izany araka ny fandrindrana sy ny tetibola ho avy ». Ho an’ireo « ayants-droit » an’ny mpiasam-panjakana efa nodimandry kosa,
« mila manao fangatahana manokana vao afaka misitraka ny zo », araka ny fanamarihana. Raha mila fanazavana fanampiny, « asaina hanatona na miantso mivantana ireo tomponandraikitra misahana ny fitantanana ny maha olona eny anivon’ny minisitera tsirairay », hoy ny ao amin’ny DGBF.
Henintsoa




