Tovolahy hita faty teny 67 ha : Nivoa-dra ny vava sy orony

Hita faty teny 67 Ha ny tovolahy iray, 22 taona, mpianatra amin’ny onivesite lehibe eny an-toerana. Nahita izany ny olona handeha hiasa maraina. Nivoa-dra ny vava sy ny orony. Lasan’ireo olon-dratsy ny finday teny aminy.

Olona handeha hiasa maraina no nahita lehilahy, efa nivalampatra tamin’ny tany, sy tsy nisy aina intsony, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina, ka nampandre ny tomponandraikitra. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny polisy avy amin’ny kaomisaria 67 Ha. Efa vatana mangatsiaka no hita teny an-toerana. Ni­da­raboka teo anelakelan-trano teo akaikin’ny Bâtiment R+5 (II), akaikin’ny toeram-pisakafoana iray ny razana.
Nivoa-dra ny vava sy orony. Nahitana ratra ihany koa tao amin’ny valahany, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Tsy nahitana dian’antsy na zava-maranitra kos any vatany. Tsy mbola fantatra mazava, araka izany, ny antony nahafaty ity to­volahy ity. Ahina ho nisy nanendaka na vono olona niniana natao ny antony nahafaty azy. Mbola hita teny aminy ny karapanondro sy ny fanalahidin’ny trano, izay fonenany. Efa lasan’ ny olon-dratsy kosa ny findainy, tamin’ny fotoana nahitana ny razana.
Lalany isan’andro eny 67 Ha

Mpianatra taona faharoa, manaraka ny lalam-piofanana Fitantana, eo anivon’ny sekoly ambony Inscae ilay tovolahy. Tsy mpanao taxi-moto, araka ny vaovao miparitaka tamin’ny tambajotra an-tserasera izy. Nambaran’ny rahalahiny, fa lalany isan’andro mandeha mianatra ny eny 67 Ha. Nifan­kahita farany tamin’ny mpiray tampo taminy izy ny atoandro talohan’io fotoana nahitana ny razana io, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tao amin’ny tambajotra an-tserasera kosa no nahitan’ny fianakaviany ny fahafetasany.
Miara-mipetraka amin’ny mpiray tampo aminy etsy Ampandrana izy. Efatra mianadahy izy ireo no zanaky ny ray aman-dreniny. Mipetraka any Antsirabe ny ray aman-dreniny, ary mianatra sy mi­asa aty Antananarivo ireo zanany.
Andrasana eny Ampadra­na ny razana, mialoha ny an­devenana azy any Ambohi­mena Nord, Antsirabe. Efa ma­nokatra fanadihadiana ma­hakasika ny tranga ny polisy miandraikitra ny heloka bevava, Anosy. Mbola tsy nisy ny olona ahiahiana ho nahavanon-doza. Efa nametraka fitoriana ny fianakaviana.

Mino

Partager sur: