Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, taorian’ny fanolorana azy teny anatrehan’ny fampanoavana, ny jiolahy mpamaky trano iray. Telo lahy nifanehatra tamin’ny ekipan’ny polisim-pirenena tanaty elakelan-trano teny amin’ny fokontany Ivandry, boriboritany fahadimy, ny alin’ny talata 6 janoary teo. Nitondra fitaovana fampiasany manao ny asa ratsiny ireo jiolahy ireo. Nitsorika nitsofotsofoka tany anatin’ny elakelan-trano maizina ireo olon-dratsy rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana nanao fisafoana. Nifanenjehana tao anatin’ny tanàna ireo mpandroba saingy tafaporitsaka ny roa. Voasambotra ny iray ary nahatrarana ny fitaovana toy ny antsy sy fanampitsohana fanalahidin’ny trano. Nentina natao famotorana teny amin’ny kaomisaria ity farany. Natolotra ny fampanoavana taorian’io. Mitohy ny fikarohana ireo roa lahy sy ny fisavana eny anivon’ny elakelan-trano amin’ny alina. Tanjon’ny polisy ny hisorohana ny tranga fandrobana sy hitandrovana hatrany ny fandriampahalemana eny anivon’ny fokontany.
Tsiferana R.




