Niady ravin-jirofo : Maty nofirainy antsy ny rahalahiny

Voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny zandarimaria ny lehilahy iray namono nahafaty ny rahalahiny, tao amin’ny tanànan’Ante­nina Sahalava, kaominina Ampa­simbe Manasatrana, afakomaly. Nifanaraka andro vitsivitsy lasa talohan’ny fety ireo mpirahalahy ireo. Nivaro­tra ravin-jirofo tamin’io mpiray tampo aminy io, araka izany, ny lehilahy iray. Mitetina 70 000 Ar ny vidin’ny entana. “Nanome vola mitetina 60 000 Ar ho sandan’ny ravin-jirofo ilay nividy”, araka ny fanazavan’ny ramatoa vadiny. No­raisin-drahalahiny soa aman-tsara io vola io saingy tsy nentiny nody tany an-tokantrano fa nasitriny ho azy irery. Nikasa haka ny ravin-jirofo izay efa vita fifanarahana ny rahalahin’io nivarotra io. Tsy hisian’ny olana ara-piarahamonina eo amin’ny tokantranon’ny roa tonta, nampahafantatra ny vadin’ilay tompona jirofo ilay rahalahiny izay nividy ny raviny. Tsy nanaiky ny hangalana ny ravin-jirofo tampoka anefa io lehilahy efa nandray ny vola io. Nilaza ta­min’ny vadiny ity farany fa tsy nivarotra velively ny ravin-jirofo tamin’ny rahalahiny izy. Nia­fara tamin’ny fikasihan-tanana sy fampiasana zava-maranitra ny tsy fitovian-kevitra teo amin’izy mirahalahy. Na­moy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy ilay le­hilahy. Nandray andraikitra ny zandarimaria miasa ao Sainte Marie ka voasambotra ny na­havanon-doza. Nentina natao famotorana avy hatrany izy ary hatolotra ny fampanoavana.

Tsiferana R.

Partager sur: