“Tsikaritra fa misy ireo olona eto an-toerana na any ivelany manararaotra ny fahazoana miteny sy maneho hevitra, ka manompa ankitsirano sy manitsakitsaka mivantana ny hasin’ny maha olombelona ary mandranitra fankahalana hikendren’izy ireo mpitondra ambony sasantsasany eto amin’ny firenena”. Fanambarana navoakan’ny talen’ny serasera eo anivon’ny Fanavaozana, Rahajason Harry Laurent, omaly, izay, manoloana ny fanehoan-kevitra amin’ny tambajotran-tserasera. Hita sy tsapan’ny besinimaro fa efa malalaka ankehitriny ny fanehoan-kevitra. Maro ireo olona mitondra famakafakana momba ny raharaham-pirenena. Tsy vitsy koa ireo maneho fitsikerana mitombina, izay tena ilain’ny fitondram-panjakana mba hanitsiana ny diany.
Heloka voafaritra sy faizin’ ny And. 20 sy manaraka amin’ ny lalàna 2014-006 momba ny ady heloka ana habaka ny fanompana sy ny fandranitana fankahalana ary fanitsakitsahana ny hasin’ny maha olona. Eo koa ny lalàna 2016-031 izay mitondra fanitsiana momba izany. Mamaritra ireo andinin-dalana ireo fa rehefa manao izany amin’ny mpitondra iray eto amin’ny firenena ary ireo olona na kaonty na pejy amin’ny tambajotran-tserasera dia raisina koa ho manompa sy mandranitra fankahalana mivantana. Tonga ankehitriny ny fotoana tsy maintsy amaranana izany fomba mamohehatra izany, hampiharana ireo fepetra rehetra voafaritry ny lalàna. Mba hiainan’ny besinimaro marina ny tena fanjakana tan-dalàna izany. Efa an-dalana ny fanenjehana ara-pitsarana ireo rehetra nihoa-pefy mba ho tena fahalalahana miteny sy maneho hevitra ho amin’ny tombontsoan’ny besinimaro eto amin’ny firenena.
R. Nd.




