Dingana lehibe amin’ny fanavaozana ny varotra eto Madagasikara ny “Data Center”. Fitaovana ara-teknolojika raitra natao hitehirizana sy hakana ireo atontam-baovao izay sitahana amin’ny alalan’ny vavahadin-tserasera momba ny varotra (PICM). Kendrena ny hanamorana ny fifanakalozana ara-barotra, hampitombo ny mangarahara ary hanamafy ny fahafahana mifaninan’ireo sehatra tsy miankina. “Tonga ny fotoana hanavaozana ny tolo-draharaha ho an’ny daholobe”, hoy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, teny amin’ny Laboratoire de Chimie et de Microbiologie eny Nanisana, nandritra ny fampahafantarana tetikasa. Marihina fa seha-pifanakalozana ana habaka novolavolain’ny komitim-pirenena momba ny fanamorana ny fifanakalozana (CNFE) izay vatsian’ny tetikasa PACFC vola ny PICM. Ity farany izay natao ho an’ireo mpandraharaha ara-toekarena, mpitantan-draharaham-panjakana ary ny daholobe. Manampy amin’ny fahazoana ireo vaovao ara-barotra samihafa, ny varo-draharaha, ny fitsipika isan-karazany ny tetikasa.
Henintsoa




