Jono makamba vaventy: Mankany amin’ny fitantanana matihanina

Mitohy ny fanavaozana ataon’ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) ho fanatsarana ny fitantanana ny jono makamba eto Mada­gasikara. Antony indrindra na­naovana ny fivoriana fampahafantarana ho an’ireo orinasa malagasy liana amin’ny fitrandrahana ny makamba vaventy eto amintsika ny alarobia teo, teny Ampandrianomby. Ken­dre­na ao anatin’izay ny hahamatihanina kokoa sy hampangaraharaha ny jono, hanajana ny fitsipika ary hisorohana ny fanaovana ampihimamba ny sehatra. Nivoitra nandritra ny dinika natao ny hametrahana rafitra mazava sy ara-drariny mba hiantohana ny fampandrosoana maharitra ny harena an-dranomasina. Tanjona, araka izany, ny hampitomboana ny vola vahiny miditra amin’ny ki­tapom-bolam-panjakana, hatao ara-drariny sy manara-dalàna ny fifaninanana eo amin’ireo orinasa mpisehatra. Hatsaraina ihany koa ny sehatra mba hampakarana ny vidim-bokatra ka hipaka mivantana amin’ny fiarahamonina.

Dingana
Fanohizana ireo dingana efa natomboka sy fepetra takina ho an’ny fahazoan-dalana hisehatra amin’ny jono ma­kam­­ba ny fivoriana natao. Tsia­­hivina fa nisanda hatrany amin’ny 105 miliara Ar ireo ma­kam­ba 3 065 taonina (t) naondran’i Madagasikara ny taona 2024, raha milanja 3 548 t ny vokatra azon’ireo sambo 38 an’ireo orinasa miisa dimy na­hazo fahazoan-dalana hitrandraka. Ireo makamba 481 t ta­min’ny ireo vokatra azo kosa no namidy teto an-toerana. Marihina fa hiverina hisokatra ny 1 marsa ny taom-panjonoana makamba ho an’ny taona 2026. Andrasana hitondra vokatra tsara ho an’ny toekarena sy ny fampandrosoana maharitra ny toekarena man­ga ity sehatra ity.

Henintsoa

Partager sur: