Tovolahy nalefa eny Antanimora: Nanindron’antsy ny namany akaiky

Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora rehefa nohainoin’ny fampanoavana ny alakamisy 8 janoary teo, ilay lehilahy nanindrona antsy ny namany teny Ambatoroka.

Miverina eny anivon’ny fitsarana Anosy ny 12 febroary ho avy izao, ilay lehilahy namono nahafaty an’i Manampisoa, teny Amba­toroka, araka ny fanazavan’i Manohy izay zokin’ny maty. Nandalo teo anivon’ny fampanoavana ny raharaha nahavoasaringotra ny lehilahy iray voalaza ho nahavanon-doza tamin’io vonoan’olona io, afakomaly. “Nohainoin’ny mpitsara mpanao famotorana izy ary nalefa eny Antanimora miandry ny fotoam-pitsarana ma­naraka”, hoy ny fanazavana. Tanora vao erotrerony telo lahy niaraka niala voly tao amin’ny tokantrano iray teny amin’ny fokontany Ambato­roka, boriboritany faharoa, ny 4 janoary teo. “Mety ho fialonana no namonoana io zandriko io noho izy tia manampy ny hafa mihoatra ireo tovolahy manodidina”, hoy ny zokiny. Nifamaly io zandriny io sy ny namany iray ka nasain’ilay fahatelo nivoaka ny trano. Mi­nitra vitsy taorian’io anefa voan’ ny antsy i Manampisoa ka niafara tamin’ny famoizany ainy.

Niara-lehibe

Tsy olon-kafa ilay voalaza nahavanon-doza fa ankizy niara-lehibe tamin’io namoy ny ainy io. “Niaraka nifampihinana ny manta sy ny masaka fony fahazaza izy roa lahy”, hoy ny fijoroana vavolombe­lona nataon’ny zokin’ny maty. Matetika nisy fifandirana teo amin’io zandriny io sy ilay namana nahavanon-doza saingy niravina hatrany noho izy ireo mpinamana hatry ny ela. Tsy nampoizin’ny fianakavian’i Manampisoa ny zava-nitranga tamin’io tolakandron’ny alahady 4 janoary lasa teo io. Manoloana ity tranga ity, mitaky ny hampiharana ny lalàna ho an’ny nahavanon-doza nahavita nanda­tsaka ny ain’ny rahalahiny ny fianakavian’ny maty. “Misy manao teny mahery ary efa misy mitady izay hifanarahana amin’ny fianakaviana momba io tranga io ny olona akaiky ilay nahavanon-doza saingy tsy ekena izany”, hoy hatrany ny zokin’ny maty.

Tsiferana R.

Partager sur: