Nodorana omaly avokoa ireo rongony milanja 30 117 kg tao amin’ny distrikan’i Betroka. Toarian’ny ezaka nataon’ ny zandarimaria manoloana ny firongatry ny trafikan-drongony ao an-toerana, rongony mitotaly 219 gony nogiazana. Olona miisa 12 voasambotra noho ny fihazonana sy fitanterana ary fikasana hamarotra ireo karazan-java-mahadomelina ireo. Na izany aza, tsy mbola voasambotra ireo sokajian’ny mpanao famotorana ho trondro vaventy amin’ity trafikan-java-mahadomelina ao an-toerana ity. Mitohy ny fikarohana ireo tompon’antoka, hoy ny fanazavan’ny solombavambahoaka voafidy ao
an-toerana. Notanana any am-ponja avokoa ireo olona 12 efa nosamborina ireo, araka ny fampitam-baovao. Ny zandarimaria miasa ao Betroka izay nanamafy fa tsy hilefitra velively amin’ny tranga tahaka izao. Marihina, tanterin’ireo mpanao trafika miakatra mihazo ny Renivohi-paritany matetika ireo rongony ary amidin’ireo mpanjinjara amin’ny fonosana.
Tsiferana R.




