Raim-pianakaviana iray no noforain’ny ramatoa (anabaviny) iray tamin’ny antsy, afakomaly, tamin’ny
5 ora hariva tany Mahanoro. Naratra mafy teo amin’ny lohany, araka izany, izy. Noentina novonjena haingana tany amin’ny Case sanitaire Ambodiriana, Loharina. Noho ny ratra mafy nahazo azy, tsy maintsy nalefa any Mahanoro ny tenany. Ady tany ny antony niavian’ny fifandirana. Nitsoaka moa ilay nahavanon-doza taorian’ny asa ratsy nataony.
Nosintomin’ny ATT, ny taratasy fahazahoana mamily, ny mpamily iray teny amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, afakomaly. Nisongona tao anaty fiolahana ilay mpamily. Ary saika nandona mpanakanto iray tamin’ny lalam-pirenena faha-7 iny ny fiara noentiny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny eo anivon’ny ATT Vakinakaratra, ka nisintona ny taratasy fahazoany mamily.
Karohin’ny polisy fatratra Ralaivita Tsilavonariva na Dadan’i Jemima sy Rijason Fenohery. Antony hanenjehana azy ireo ny fandrahonana ho faty, fanentanana hankahala, fanalam-baraka amin’ny tambajotra sosialy. Ny Polisim-pirenena dia manome toky fa mijanona ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao. Hiangaviana izay mahafantatra azy mba hanatona ny Polisy akaiky azy na hanatona ny “Service Central de Lutte contre la Cybercriminalité”.




