Vonona ny Praiminisitra hanohana ny faritra Analamanga sy ny faritra rehetra eto Madagasikara amin’ny fampiharana ny fandraisana fahefana marina, ny fanomezana fanampiana ary ny fanohizana ny ady amin’ny heloka bevava eo amin’ny sehatry ny toekarena. Izay no anisan’ny nisongadina tamin’ny fitsidihan’ny lehiben’ny Faritra Analamanga, Raharinirina Clémence, ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama teny amin’ny Lapam-panjakana, Mahazoarivo, omaly. Amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana tena izy izay fanohanana izay.
Ankoatra izany, hevi-dehibe efatra hafa no voaresaky ny roa tonta tamin’ny fihaonana. Voalaza, ohatra, fa sarotra ny zava-misy ankehitriny ary mitaky ezaka: goavana ny fanamby sy ny fiovana andrasan’ ny mponina amin’ny Faritra Analamanga. Eo ny fitomboan’ny mponina, ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa… Na izany aza, mandroso amin’ny lalana mazava na tondrozotra i Madagasikara amin’izao. Mankany amin’ny vokatra hita maso izany, mifanaraka tanteraka amin’ny drafitry ny fampiharana ny Politika ankapoben’ ny Fanjakana (PGE) amin’ny fanarenana ny faritra Analamanga.
Mitaky fanohanana manokana ny faritra Analamanga, indrindra amin’ny fanatanterahana ireo fotodrafitrasa goavana toy ny lalana sy ny tetikasa goavana izay tsy zakan’ ny tetibolan’ny kaominina irery. Ny amin’izay fanampian’ ny Praiminisitra ny Faritra Analamanga izay: manaja ny lalana ary mandrindra mazava ny fifanampiana, ho setrin’ny tsy faharetan’ny lehiben’ny distrika sy ny ben’ny Tanàna miandry ny fanombohan’ny asa. Nandritra ny fihaonana, samy nanamafy ny fanohanany ny ezaka fanarenana nataon’ny filoham-panjakana sy ny Praiminisitra ary ny fitondram-panjakana eto amin’ ny faritra Analamanga ho tombontsoan’ny rehetra ny roa tonta.
R. Nd.




