Fikaonandoham-pirenena ara-toekarena : Hifantoka amin’ny fampandro­soana ny sehatra tsy miankina

Hotanterahina ny 19 janoary ny fihaonambem-pirenena ho an’ny fanarenana ny toekarena. Handray anjara amin’ izany avokoa ny sehatra tsy miankina rehetra, fotoana iray hihainoana ny hetahetan’izy ireo ho fanarenana ny toekarena.

Nisy, araka izany, ny fi­haonana stratejika teo amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indos­tria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy miankina (MIDSP) sy ny Fikambanan’ny Orinasa Malagasy (FOM), izay nisolo tena ny orinasa madinika sy salantsalany eto Mada­gasi­kara. “Omena sehatra mandritra ny hetsika ny sehatra tsy miankina izay tokony hampiroboroboana sy himasoana. Mila fantarina ny olana, ny vahaolana ary ny anjara asan’ny fanjakana ao anatin’izany”, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Fom, Tsiranana Fiona. Tanjona ny hamantarana ireo olana fototra iainan’ny sehatra tsy miankina sy ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME/PMI). Tafiditra ao ana­tin’izany ny hanamafisana sy hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana mba hanohanana ny fivoaran’izy ireny. Eo koa ny hampiroboroboana ny fampiasam-bola sy ny fanodinana eto an-toerana ny harena voajanahary, hanatsarana ny kalitao mba hahazoana mifaninana eto amin’ny tsena anatiny sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nivoitra nan­dritra ny fihaonanan fa hahafahana mampiroborobo ny famoronana sy ny fanamafi­sana ny rohim-pamokarana nasionaly sy isam-paritra ity fikaonan-doham-pirenena ity.

Fifanakalon-kevitra
“Nifantoka tamin’ny sakana ara-drafitra atrehan’ny orinasa indostrialy ny fifanakalozan-kevitra toa ny fanjakazakan’ny sehatra tsy ara-dalana, ny fahalemen’ny fifaninanana eo amin’ny orinasa, ny fahasarotan’ny fidirana amin’ny fa­matsiam-bola ary ny sakana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana”, hoy ny tale jeneralin’ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina, Randriamo­arisoa Lala. Hisy, araka izany, ny fakan-kevitra an’ireo sehatra tsy miankina manerana ny Nosy. Eo koa ny dinika fifanakalozan kevitra iarahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina aorian’ny famaritana ireo olana iainan’ny sehatra tsy miankina sy ny vahaolana azo aroso. Marihina fa isan’ny “olana iainan’ny mpandraharaha malagasy ny tontolon’ny hetra. Maro koa ireo mila fa­nofanana mba hahamatiha­nina azy ireo, hoy hatrany ny filohan’ny Fom. Notohizany fa ilain’ny mpandraharaha malagasy ny fampiofanana samihafa mba hahafahany mivelatra. Marihina fa miantoka ny fampandrosoana ny toekarena sy ny harinkarena faobe ny sehatra tsy miankina.

Henintsoa

Partager sur: