Hanokatra fanadihadiana mahakasika ny fidiran’ireo entana avy any ivelany, izay mitobaka eny an-tsena sy heverina fa hanohintohina ny famokarana sy ny fifaninana ara-barotra eto an-toerana ny ” Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales” (ANMCC). Voakasika ao anatin’izany ireo fantsona vita amin’ny plastika, ireo akora fampiasa amin’ ny fanamboarana mofomamy ary koba atao sakafo ireny. Fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny fitarainan’ireo mpamokatra eto an-toerana izay nilaza fa ” nitombo tampoka ny fanafarana ka manohintohina ny fifaninanana sy ny fihodonan’ny indostria eto Madagasikara”. Natomboka ny 24 desambra teo, araka izany, ny fanadihadiana izay haharitra 9 ka hatramin’ny 12 volana, araka ny nambaran’ny ANMCC. Kendrena ao anatin’izany ny handinihana lalina ny fitobaky ny entana miditra sy ny fiantraikany eo amin’ny toekarena fa indrindra ny orinasa mpamokatra. Ho fantatra afaka roa volana, araka izany, ny valin’ny fanadihadiana voalohany izay hametrahana fepetra fiarovana vonjimaika. Miantso ireo mpisehatra samihafa ny ANMCC handray anjara amin’ny hetsika sy hitondra ny anjara birikiny mialoha ny 7 febroary.
Henintsoa




