Mijanona ho sakana amin’ ny famatsian-drano isan-tokantrano ny fahatapahan’ny herinaratra, antony indrindra nahatonga ny minisitry ny Rano, ny fanadiovvana ary ny fidiovana, Dr Razafindrianiaina Minosoa, nanolotra ireo milina famokarana herinaratra miisa 14 ho an’ny Jirama hiantohana ny famokarana rano fisotro madio. “Manomboka amin’ny 5kVA ka hatramin’ny 500 kVa ny tanjak’ireo milina izay mifanaraka amin’ny filan’ny tobim-pamatsian-drano”, raha ny fanazavan’ny minisitra. Kendrena ny hampihenana ny fikorontana eo amin’ny famatsian-drano, indrindra any amin’ireo faritra tena iharan’ny fahatapahana matetika. Anisan’ireo misitraka izany ny tobim-pamatsian-drano eny Ambodimita, lalana Gillet, Sabotsy Namehana, Anosizato, Antsahameva, Mandriambero, Betongolo, eny amin’ny Oniversite Ankatso, Amboaroy, Ambohimanarina, Ambatondratrimo, Analamahitsy, Ambohibe ary Ambohidroa. Ho fanampin’izany, hafainganina ihany koa ny asa fanamboarana sy fanamafisana ny tambazotran-drano. Nisitraka fampitaovana samihafa, araka izany, ny Jirama hanoloana ireo simba sy efa antitra hanamorana ny asa eny an-toerana sy hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra omen’ny orinasa.
Tetikasa
Dingana iray lehibe hamahana ny olan’ny fahatapahan-drano ny hetsika fanohanana toy izao. Nilaza ihany koa ny minisitra fa hisitraka izany ny any amin’ny faritra. Ankoatra izay, nilaza izy fa hivaha tsy ho ela ny olan’ny rano fisotro madio. Efa misy hoy izy ny tetikasa goavana toy ny eny Mandroseza izay ahafahana mampitombo hatrany amin’ny antsasany ny famatsian-drano. Ankilany, nametrahana “forage” miisa telo eny Ankatso ho fanohanana sy hanampiana ireo mpianatra. Ankoatra izay, nisitraka fotodrafitrasa momba ny rano izay mahazaka 6m³ no napetraka eny amin’ny Cenhosoa ho entina hanampiana ny fitsaboana sy hanohana ny hopitaly.
Henintsoa




