Tafakatra 6 700 taonina (t) ny lohamenaka naondran’i Madagasikara nandritra ny 11 volana voalohan’ny taona 2025. Nampidi-bola hatrany amin’ny 452, 3 miliara Ar izany sady porofo fa manomboka miverina tsikelikely ny lanjan’ny lohamenaka malagasy. Ny volana avrily no tena betsaka ny vokatra naondrana izay nahatratra 1000 t sy nisanda 60,1 miliara Ar.
Misanda 2 351 miliara Ar ireo lamba 45 800 taonina (t) naondrantsika tany ivelany nandritra ny 11 volana voalohan’ny taona 2025. Mijanona ho laharana voalohany amin’ny fanondranana ataon’i Madagasikara ny sehatry ny lamba izay mandrafitra ny 23,4% ny vokatra fanondrantsika, manaraka azy ny nikela sy kobalta, ny koba sy ny lohamenaka.
Miisa 264 604 ireo mpandeha ny nampiasa ny seranam-piaramanidina tao Nosy Be tamin’ny taon-dasa. Nahitam-piakarana 13% io taha io raha oharina ny tamin’ny taona 2024. Porofo izao fa manomboka mahazo vahana ny sehatry ny fizahantany ary mbola toerana mahasarika ny teratany vahiny i Nosy Be.




