Fiara nivarina tany anaty rano : Olona 3 namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny digue, akaikin’ny Apipa Amboavahy, afakomaly alina. Fiara taxi iray no nivarina tao anaty rano, teny an-toe­rana, izay nitondra olona telo. Avy any amin’ny Art Malagasy hihazo an’Andranomena io fiara niharan-doza io. Namoy ny ainy nandritra izany, ny olona telo tao anatiny. Nahi­tana lehilahy roa (mpianaka), izay tompon’ny fiara sy ny zanany lahy. Niaraka tamin’ny vehivavy iray hafa, izay maty ihany koa. Tsy nisy nahita ny lozam-pifamoivoizana ka ny maraina vao tsikaritry ny olona. Tonga teny an-toerana nika­roka sy nampiakatra ireo vata mangatsiaka tao anaty rano ny mpamonjy voina, omaly ma­raina. Nan­deha mafy avy any amin’ny Art Malagasy any io fiara io ka tafavoaka ny lalana ny fiara, avy eo, nivarina tany anaty rano, teo ampitan’ny Apipa Amboavahy.

Mino

Partager sur: