Tokantrano voatafika tetsy Ankadikely : 300 tapitrisa Ar sy fiara 4×4 iray voaroba

Lasan’ireo jiolahy ny vola mitentina 300 tapitrisa Ar tao amin’ny tokantrano iray, tetsy Ankadikely, omaly maraina. Nofatoran’ireo mpanafika ny olona rehetra tao an-tanàna.

Tsy mitsaha-mirongatra ny fanafihana tokantrano tato ho ato. Notafihin’ny jiolahy indray ny tokantrano iray tetsy amin’ny fokotany Andranoritra, kaominina An­kadikely Ilafy, omaly, maraina tokony ho tamin’ny 3 ora. Niditra sy nandroba tao amin’ ilay tokantrano ireo jiolahy. Nihanika tamboho tamin’ny alalan’ny tohatra izy ireo. Nafatotr’ireo olon-dratsy tamin’ ny tady teo an-tokotany ny mpiambina ny tanàna. Nopoi­riny ny varavaram-by ary niditra tao an-trano ireto farany. Vao tafiditra, nofatorany avokoa ny olona rehetra tao an-trano ka tsy afa-nihetsika, raha ny loharanom-baovao avy amin’ny zandarimaria.

Voaroba ny volabe
Vokany, lasan’ireo jiolahy nandritra izany, ny fiara 4×4 iray marika Rexton, miloko fotsy. Voaroba tao koa ny vola iray valizy mitentina eo amin’ ny 300 000 000 Ariary. Ankoa­tra izay, mbola lasan’ireo jio­lahy ny firavaka volamena, finday miisa telo ary ordinatera iray. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo olon-dratsy rehetra ireo rehefa avy nandroba ny entana tao an-trano. Nampan­dre ny zandary avy hatrany ny tompon-trano, taorian’izay. Tonga teny an-toerana nisehoan’ny fa­nafihana ny zan­dary miisa efatra avy amin’ny zava-tobim-paritra Mandro­soa, vantany vao nahazo antso avy amin’ny tompon-trano. Nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany izy ireo, mahakasika ny fikarohana ireo jiolahy. Efa nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana kosa ireo fianakaviana lasibatra taorian’ny tranga.
Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra ta­min’io trangana fanafihana io. Tsy nitondra fitaovam-piadina ireo olon-dratsy.

Mino

Partager sur: