Olon-dratsy mpanao sinto-mahery sady mpangarom-paosy voasambotry ny polisy teny Ivandry, ny marain’ny zoma 9 janoary teo, tamin’ny 7 ora. Mody nitangorona niaraka amin’ireo olona mpiandry taxi-be teo amin’ny fiantsonana io lehilahy io. Mitondra zava-maranitra toy ny hareza izy ka triariny mandritra ny fifanisihan’ireo mpandeha ny kitapo. Olon-tsotra iray lasibatra tamin’io fotoana io ka lasa ny finday raitra marika IPhone 11 Pro max izay mitombam-bidy ana hetsiny. Nampandre ny mpitandro filaminana tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny fandrobana ny lasibatra. Voasambotry ny polisy io lehilahy io. Tratra teny aminy tokoa ny finday vao nangalariny. Nentina nihazo ny kaomisaria Analamahitsy natao famotorana ilay mpanao ratsy. Naverina amin’ny tompony ny finday. Mitohy ny famongorana ireo tontakely sy mpanao asa ratsy eny amin’ny boriboritany fahadimy ataon’ny polisim-pirenena eo anivon’ny CSP8 Analamahitsy. Tsiahivina, nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana alina tao Ivandry koa ny mpamaky trano iray io herinandro lasa io ary voasambotra.
Tsiferana R.




