Olona 15 narary tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe (TIAC) tany Toamasina, raha ny tatitra navoakan’ny avy amin’ny DSRP Atsinanana, omaly. Naiditra hopitaly any amin’ny CHU Analankinina Toamasina izy rehetra ireo. Namonjy fety fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao iray tany an-toerana izy ireo, afakomaly. Samy nivalana, nandoa, fanina, narary an-doha avokoa ny fisehoan’ny soritr’aretina teo amin’ny tsirairay. Tsy mbola fantatra mazava ny sakafo tena nahatonga ny fahapoizinana faobe nahazo ireo olona ireo. Amin’izao fotoana izao, efa manokatra fanadihadiana sy ny fitsirihana mahakasika ny sakafo niteraka ny aretina kosa ny tomponandraikitra mahakasika izany.




