“Misokatra amin’ny fiaraha-miasa i Madagasikara ao anatin’ny fifanarahana madio sy tsy misy fitsabahana”. Io no tenin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fiarahabana azy sy ireo mpanolotsaina avo nataon’ny vondron’ny ambasadaoro vahiny miasa eto Madagasikara, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny faran’ny herinandro teo. Saika nahatonga solontena avokoa ireo firenena sy vondrona iraisam-pirenena miasa eto Madagasikara. Tsy fahatapahana na fiatoana politika no nisy fa fandraisana andraikitra hikendrena fiainana tsaratsara kokoa ho an’ ny vahoaka malagasy. Hatao anaty fisokafana sy fifanakalozana ny fitadiavam-bahaolana. Laharam-pahamehana ny fanafainganana ny toekarem-pirenena amin’ny fantsarana ny famatsiana herinaratra sy rano madio fisotro. Eo koa ny fanamafisana ny ady amin’ ny fahantrana, ny famoroanana asa ho an’ny vahoaka, ary ny fitrandrahana ireo harena voajanahary mifototra amin’ny fifanarahana ara-drariny sy ahazoan’ny rehetra tombony.
Nitondra lesona ho an’ny rehetra ny vahoaka malagasy ary afa-mitroatra manoloana ny tsy rariny, raha ny nambaran’ny diplaomaty zokiolona sady mpitondra tenin’ny vondron’ny diplaomaty eto Madagasikara, ny ambasaodoron’i Comore, i Elyachroutu Mohamed. Nankasitrahany ny finiavan’ny fitondrana mijoro ankehitriny ny amin’ny fanomezan-danja ny fifanakalozan-kevitra sy ny fisokafana amin’ny fitadiavam-bahaolana, indrindra ny amin’ny lafiny politika. Toy izany koa ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fitadiavam-bahaolana amin’ny ady amin’ ny fahantrana, indrindra ny famaliana ny hetahetan’ny
vahoaka malagasy amin’ny famahana ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano.
R. Nd.




