Nifatotra tady teo amin’ny tendany, nihantona tao an-tranony, ny lehilahy iray 22 taona, tao Nosy Varika, omaly.
Fatin’olona nihantona tamin’ny tady tao an-trano no hitan’ny ankizy iray tao amin’ny fokontany Tanambao V, distrikan’i Nosy Varika, omaly atoandro. Tovolahy vao erotrerony, satria vao 22 taona monja io hita faty io. Avy nisakafo atoandro, ka nampaniraka ankizy haka ny lovia avy nihinanan’io vinantony io ny rafozany, araka ny loharanom-baovao. Niditra ny trano, niantso vonjy tamin’ny olona manodidina ilay ankizy noho izy nahita fatin’olona nihantona. Nijery ny zava-nisy ny fokonolona ao an-toerana. Nahenjan’ny tady izay nifatotra tamin’ny hazon-tafo ny tendany. Nihantona, araka izany, ny vatany izay efa tsy nisy aina intsony tamin’ny nahitan’ny manodidina azy. Niantso manam-pahefana avy hatrany ireo nanatri-maso. Nidina ifotony ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana nijery ny zava-nisy.
Namono tena
Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo, ahina ho namono tena ilay lehilahy. Tsy nisy olon-kafa ankoatra ilay hita faty rahateo tao anatin’ny trano nandritra ny fotoana nijanonany tao an-trano. Anatin’ ny famotorana tanteraka momba ity tranga ity ireo mpitandro filaminana miasa ao Nosy Varika. Tsy fantatra mazava rahateo ny antony nahatonga azy nanantona ny tenany tamin’ny tady. Miasa manao mpanampy an-trano tao amin’ny mpandraharaha iray ao an-toerana io olona namoy ny ainy io. Andrasana ny voka-panadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana misahana ny raharaha. Marihina fa mirongatra ny famonoan-tena tato ho ato. Tanora vao erotrerony avokoa ireo lasibatra. Anisan’izany ilay mpifankatia naira-nihinana poizim-boalavo tao amin’ny distrikan’i Manjakandriana, ny faran’ny herinandro teo. Tsy tana ny ain-drahalehilahy raha toa ka avotra ny sakaizany izay vao 15 taona monja.
Tsiferana R.




