Kolonely Randrianirina Michaël : “Isika manamboninahitra izao no antenain’ny vahoaka”

Nankalazaina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny Andron’ny manamboninahitra eto Madagasikara. ”Antenain’ny vahoaka isika”, hoy ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, nandritra izany.

“Isika manamboninahitra izao no mitondra. Isika manamboninahitra izao no antenain’ny vahoaka. Dia manantena ny firaisankina sy ny fiombonam-po ho antsika rehetra mba hahazoantsika miroso”. Izay ny arahaba sy ny firariantsoan’ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fankalazana ny 12 janoary, Andron’ny ma­namboninahitra eto Madaga­si­kara, teny amin’ny Lapam-panjakana, Iavoloha, omaly. Nanotrona azy ireo mpanolotsaina avo efatra eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana. Ho an’ny tanindrazana no efa nilokalokana tany amin’ny Akademia Miaramila. Manan­tena izy fa mba hanome tanana azy ireo hitondra avo ny lazan’ny Foloalindahy ireo manamboninahitra. “Ny Fo­loalindahy no nanavotra ity firenena ity”, hoy izy.
Nitarika ny fibaikoina ny he­tsika ny manamboninahitra zandriny indrindra. Fanao amin’ny fankalazana ny fanolorana gisa misatroka kepina manamboninahitra ho an’ireo lehibe eo anivon’ny Tafika. Teo koa ny fiaraha-mihazakazaka. Misy aza ny fifaninanam-panatanjahantena iombonana. Fanomezan-danja ny andraikitry ny manamboninahitra ny andron’ny 12 janoary, ikendrena ny fanamafisana ny firaisankina sy ny firindrana ary ny fifandraisana eo amin’ny samy olona ao anatin’ny fitantanan’ny miaramila. Eo koa ny fanajana ny soatoavina fototra mamaritra ny fanoloran-tena miaramila: fifehezana, voninahitra, adidy, fitiavan-tanindrazana. Ny fitakian’ireo mpianatra ho manamboninahitra andiany mivantana voalohany tao amin’ny Akademia Miaramila, taona 1968, ny fanatsarana ankapobeny ny fiainan’ izy ireo, no nahatonga ny 12 janoary ho Andron’ny manamboninahitra.

R. Nd.

Partager sur: