Nifarana tamin’ny taon-dasa ny fe-potoam-piasan’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) teo aloha. “Manoloana ny fahabangana eo anivon’ny OJM, nahita ireo fikambanana 18 fa maika ny hananganana rafitra vonjimaika na tetezamita ho an’ny mpanao gazety”, hoy ny fanazavan’ny mpikambana eo anivon’izay rafitra vonjimaikan’ny holafitra izay, ny mpanao gazety Raharison Andry, teny Ambohidahy, omaly. Eo ny fiarovana ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany. Raha misy fanenjehana: iza no hiaro azy? Koa maika ny fananganana rafitra vonjimaika hisolo ny OJM sy hanohy ny asany.
Rehefa nivory teny Ambohidahy ireo fikambanana 18, tamin’ny 5 janoary lasa teo, nanapa-kevitra fa hatsangana izay rafitra vonjimaika ho an’ny OJM izay. Amin’izany, misy ny mpandrindra nasionaly sy ny mpandrindra rezionaly, ny fiarahan’ny mpanolotsaina ahitana an’ireo filohan’ny holafitra teo aloha. Misy vaomiera efatra eo anivon’ny rafitra vonjimaika. Eo ny fitantanana ny fampandehanan-draharaha, ny fijerena sy fampanajana ny etika sy ny deontolojia, ny mpanolotsaina sy fakan-kevitra momba ny lalàna… Tsy mahazo mirotsa-kofidina ho filoha na mpikamban’ny birao maharitry ny OJM kosa ireo mpikambana ao amin’ny rafitra vonjimaika. Anisan’ny asa lehibe miandry azy ireo rahateo ny firakarakana ny fifidianana izay ho birao maharitra vaovao. Fantatra fa tsy ankinina amin’ny minisiteran’ny Serasera intsony ny amin’izay, fa hanana ny fahaleovantenany kokoa ny holafitra.
R. Nd.




