FANTINA sy FINTINA

“Aza dia mandany andro amin’ny resaky ny olona mpitady seza sy te hankalaza tena”. Io ny hafatry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Ma­tsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, ho an’ny Praimi­ni­sitra, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fisian’ ny fitakiana ny fandravana ny governemanta. Ry zareo so­lombavambahoaka no tena tokony ho sarotiny, raha tena tsy manao na inona na inona ny mpanatanteraka. Hitany ny ataon’ny governemanta, ka tokony hotohiziny ny asany.
Tsy mety amin’ny Malagasy intsony ny fitondrana fanjakana tokana itsinjaram-pahefana, raha hanao fanavaozana lavitra ezaka. Io ny tenin’ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Irmar, tany Ambilobe, i Assimo Bruno, momba ny Repoblika fahadimy. Maro ny anarana fitsinjaram-pahefana natao, fa tsy nitondra vahaolana ho an’ny Malagasy izany. Izay no mahatonga azy manolo-kevitra fa tsy fitsinjaram-pahefana intsony, fa na fedaralisma na Faritany mizaka tena na fanjakana rezionaly… Mila fizakan-tena ny Faritra.
Aleo hiavaka tsara ny dinika fototra: lalàmpanorenana, lalàm-pifidianana, lalàna mifehy ny antoko, politika… Izay aloha no hanaovana dinika, raha ny fijerin’ny filohan’ny Antoko ‘lay fitiavana an’ny rehetra (Alfa), Rakoto­niaina Mamy. Rehefa vita ny dinika fototra, ma­moaka tondrozotra handrafitra sy hitantana ny Tete­zami­ta isika. Aorian’izay, aleo halefa miadana ny fikaonandoham-pirenena momba ny olana isan-tsehatra toy ny varotra, fa­nam­boaran-dalana, fahasalamana, fampianarana…

Partager sur: