Tafiditra amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena fahadimy (RN5) izay mampitohy an’i Toamasina sy Foulpointe, ny fitondram-panjakana amin’izao. Lalana stratejika ho an’ny fivezivezena samihafa, indrindra nandritra fotoam-piotazana letisia, io lalam-pirenena io. Anatin’ny asa tanteraka amin’izao fotoana ireo tomponandraikitra na teo aza ny fahatarana noho ny antony maro, toy ny rotsakorana nifanesy. Nananosarotra ihany koa ny fangalana ireo akora sy vato eny amin’ny “carrière” noho ny haratsin’ny lalana.
Araka izany, harenina manontolo ny RN5, misy ny ampahan-dalana atao “béton”, misy kosa ny hatao godirao. Ankehitriny, miomana amin’ny fanatanterahana ny lalana tara ny tomponandraikitra vantany vao feno ny fepetra mahakasika ny akora ilaina. Efa vita tanteraka kosa ny “chaussée rigide”. Mamatsy vola ny tetikasa ny Banky iraisam-pirenena. Ankoatra izay, miroso mianavatra ny asa, ary efa mandeha ihany koa ny fanamboaran-dalana ao an-tampon-tanànan’i Toamasina.
Henintsoa




