Manana vokatra marolafy azo trandrahina i Madagasikara entina hampandrosoana ny toekarena sy hampivelarana ny fifanakalozana amin’ny varotra. Na izany aza, mila manaraka fenitra takin’ireo Nosy rahavavy ny vokatra raha hampiditra izany amin’ny tsena ao amin’ny ranomasimbe Indianina. “Manampy hifehezana ny tsena ny kalitaon’ny zavatra vokarina”, hoy ny mpamokatra iray. Ilaina koa, hoy izy, ny mampitombo ny vokatra, hahafahana mifaninana. Eo koa ny fahaiza-manao matihanina ao anatin’ny asa, ho fampivoarana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana eto Madagasikara. Nilaza izy fa hahafahana mametraka io sehatra io ho andry iankinan’ny fampandrosoana ny toekarena ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, miampy ireo mpiara-miombon’antoka.
Vokatra
Tafakatra hatrany amin’ny 147 700 taonina ny katsaka hafaran’ireo Nosy rahavavy, ka ny 94% amin’io no hafaran’ny Nosy Maurice any amin’ny firenen-kafa ivelan’ny ranomasimbe Indianina. Ankoatra izay, manodidina ny 17 250 t ny hena miloko mena hafaran’ireo Nosy manodidina antsika. Ny 80% amin’izany no an’i Maurice sy La Réunion, raha ny 20% kosa no an’i Comores sy Seychelles. Manafatra henan’akoho 39 000 t i La Réunion, Comores ary Seychelles. Mbola manafatra tongolo 22 280 t koa ireo Nosy ireo saingy ny 4 500 t ihany no aondrantsika ao Comores sy La Réunion. Vokatra izay ananan’i Madagasikara sy azo atolotra eny amin’ny tsenan’ny ranomasimbe Indianina.
Henintsoa




