FANTINA sy FINTINA

Ho vita hatreo ireo mpiasam-panjakana ma­toatoa. Manomboka anio ny fanisana ireo mpiasa eo anivon’ny minisitera rehetra sy ireo Andrimpanjakana, miaraka amin’ireo rantsa-mangaika ao aminy ary hatrany amin’ny faritra. Tanjona ny hahafantarana ny tena isan’izy ireo marina, araka ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Asa, omaly.
Miroso ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Nambaran’ny minisi-panjakana, Razafima­nan­tsoa Hanitra, fa asan’ny komity teknika miara-miasa aminy ny fanofanana ireo tomponandraikitra eny ifo­tony. « Hatao amin’izao enim-bolana voalohany izao izany ka handray anjara ireo sefo fokontany sy ireo eny anivon’ny kaominina », hoy izy.
Mitaky ny handefasana mody any an-tokantrano ny depiote Sahondrarimalala Marie Michelle ny fikambanam-behivavy eto an-dRenivohitra. Namba­ran’izy ireo fa tsy ara-dalàna izao fihazonana azy sy ny maha minisitra teo aloha ity depiote ity izao. Tsiahivina fa miatrika fanadihadiana etsy amin’ny BC Anosy efa andro maromaro izao ny tenany.
Tokony hiezaka ho maodely amin’ny fomba fanaovana politika ireo mpisehatra amin’izany, araka ny nambaran-dRabevahiny Elia. Nolazainy fa tsy mbola tafavoaka amin’ny krizy ny firenena. « Fotoana izao tokony handraisana andraikitra momba izany », hoy ihany ity avy amin’ny KFIM.

Partager sur: