Tovolahy iray 29 taona hita faty nihantona tamin’ny tady, teo amin’ny hazo iray, teo amoron-dranomasina akaikin’ny Jardin d’amour, Mahajanga, omaly, tamin’ny 8 ora sy sasany maraina. Olona mipetraka teo amin’ny manodidina no nahita io zava-doza io ka nampandre ny tomponandraikitra avy hatrany. Nampandrenesina ny sefo fokontany sy ny mpitandro filaminana. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana avy hatrany ny polisim-pirenena vantany vao nahazo antso. Notapahina sy novahana ny tady nifatoran’ny tendany. Nahitana faritra mangana ny faritry ny tendany. Tsy nahitana ratra kosa ny vatany, nandritra ny fizahana ny razana izay nataon’ny mpitsabo tonga teny an-toerana.
Mbola hita teny aminy ny findainy sy ny karapanondrony rehefa nosavain’ny mpitandro filaminana ny razana. Nantsoina sy nampahafantarina ny zava-nisy ny renin’ity lehilahy hita faty ity, izay voarakitra tao anaty finday. Nambaran’ny reniny, tamin’izany, fa manara-bady tany Mahajanga ity farany. Mipetraka any Maroantsetra kosa ny reniny sy ny fianakaviany. Efa nantsoina ny vadiny, izay misoratra ao anaty finday ihany saingy nivadika « messagerie » hatrany ny antso nataon’ny mpitandro filaminana. Ahina ho namono tena ity lehilahy ity, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy.
Efa nisaraka tamin’ny renin-janany izy io ary niezaka nandamina ny fifankatiavan’izy roa. Tsy nanaiky ny fandaminana anefa ilay vehivavy ka izay no mety ho antony nahatonga azy ho namono tena.
Efa mandray ny fanadihadiana momba io raharaha io ny Police Judiciaire Mangarivotra. Naterina eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Androva ny razana taorian’ny fizahana sy ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana.
Mino




