SEHATRA TSY MIANKINA : Nifanakalo hevitra tamin’ny fanjakana

Notanterahina omaly, tetsy Mahamasina, ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy mian­kina. Dinika natao handraisana ny hevitr’ireo mpandraharaha entina hanatsarana ny sehatra misy azy. “Fotoana hamoaboasana miaraka ireo sakana sy olana mitambesatra amin’ ny fampandrosoana ny indostria, ny orinasa, ny fandraharahana toy ny olan’ny famo­karana, ny angovo, ny fiofa­nana, ny filana fotodrafitrasa ny dinika toy izao”, hoy ny minisitry ny Fampiroboro­bo­ana ny indostria sy ny fampivelarana sy ny sehatra tsy miankina, Rasoarahona Andry, tamin’ny lahateniny. Tafiditra ao anatin’izany ny olan’ny fitantanana, ny hetra, ny fahasarotan’ny fahazoana fama­tsiam-bola, ny olan’ny angovo ary koa ny fitaterana. Araka izany, hojerena ireo laharam-pahamehana azo tanterahina ao anatin’ny fotoana fohy sy ny paikady apetraka hanatsarana ireo vina lavitra ezaka. Notsindriny manokana fa hamafisina ny fifanakalozan-kevitra efa nisy hatramin’izay sy ny hitadiavam-bahaolana miaraka ny fifanakalozan-kevitra toy izao ho fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina.

Drafitrasa
Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fihaonambe ara-toekarena ny dinika natao. “Andrasana anatin’izao ny fanatanterahana ireo vahaolana naroso ho fanatsarana ny sehatry ny fandraharahana”, raha ny fanazavan’ny filohan’ ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), Rasa­mimanana Tiana. Nilaza kosa ny tale jeneralin’ny sehatra tsy miankina eo anivon’ny MIDSF fa ainga vao amin’ny tontolon’ ny fandraharahana ny fanavao­zana misy amin’izao fotoana. Hisy, araka izany, ny fanaraha-maso ny fanapahan-kevitra raisina mba hahafahana ma­nome vahaolana azo tsapain-tanana sy maharitra ho an’ny filan’ny sehatra tsy miankina, ary hanamafisana ny anjara asany amin’ny fampandroso­ana ara-toekarena ny fire­nena.

Henintsoa

Partager sur: