Haharitra hatramin’ny 16 janoary ny dinika iarahan’ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé sy ny solontena maharitry ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI), Eklou Kodjovi. Hifantoka amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ny roa tonta ny resaka. Ao anatin’izany ny fanombanana ny fampidiram-bola, ny fampiasam-bola ary ny toe-draharaha ara-toekarena. Horesahina ihany koa ny vinavina momba ny harinkarena, ireo sehatra lehibe toy ny fambolena sy ny banky.
Mitentina 9 miliara Ar ny tetibola natokan’ny Banky Iraisam-pirenena hamatsiana ny tetikasa Agriconnect. Tetikasa hamahana ny olan’ny famokarana sakafo, famatsiana, ny fahantrana ary ny tsy fananan’asa. Aty amin’ny firenena mahantra avokoa ny 2/3 ny tantsaha izay mamokatra ny 80% ny sakafon’ny mponina. Tanjon’ny tetikasa ny hampakarana 30% ny famokarana amin’ny taona 2050.
Miverina amin’ny laoniny nanomboka omaly ny famatsiana herinaratra ao amin’ny PIA Ambohimanambola taorian’ny tsy fahatomombanana ny zotra mitondra herinaratra mahery vaika 138 Kv avy any Andekaleka. Vokany natsahatra ny famatsiana herinaratra avy any an-toerana mba hisorohana ny mety ho loza.
Vinavinaina ho vita ny volana mey izao ny asa fanarenana ny fantsona (quai) ao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga. Mitentina 40,2 miliara Ar ny famatsiam-bola ataon’ny Banky Iraisam-pirenena ho fanatanterahana ny tetikasa izay natombola ny volana febroary 2025.




