VAOVAO TAMBATRA

Hihatra manomboka amin’ity volana janoary ity ny fampakarana 14% ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Hisy kosa ny fanambarana ny fampakarana “rappel” raha toa ka mbola tsy mihatra amin’ireo karama sasany izany. Mety handeha tsikelikely ihany koa ny fampakarana arakaraka ny minisitera.
Miakatra avokoa ny vidin’ny legioma eny an-tsena, amin’izao fotoana izao. Mitaraina ny mpanjifa satria voatery nanena ny entana vidiny ny ankamaroan’ny tokantrano mba hitsinjarana ny fitantananam-bola. Manano­sa­rotra ho an’ny rehetra ny fiatrehana ny volana janoary taorian’ny fandaniana samihafa nandritra ny fety.
Mamelona tantsaha an’arivony sy manampy amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fihariana cacao. Miavaka sy tsara indrindra ary vokatra 100% “fin et aromatique” ny cacao malagasy. Vokatra fanondrana fanta-daza izy. Antony mahatonga ny minisitera sy ny CNC manamafy sy mampiroborobo ity seha-pihariana ity.
Nivoaka ny hetra alaina amin’ny fitaovam-pitaterana misy motera. Anisan’ny mandoa vola betsaka amin’izany ireo mampiasa fiara na moto mihoatra ny 20 taona. Manodidina ny 280 000Ar isan-taona izany ny hetra ho an’ny fiara mandeha lasantsy mihoatra ny 15CV raha 340 000Ar izany ho an’ny Diesel. Mora kosa ny hetra alaina amin’ireo fitaterana mandeha “électrique” ho fanentanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Partager sur: