Naiditra am-ponja ao Ambalatavoahangy ireo olona roa voarohirohy momba ny raharaha Kraoma tao Antanandava, taorian’ny famotorana nataon’ny mpitsara eo anivon’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ny alatsinainy 12 janoary teo.
Nisandoka andraikitra sy nanodinkodim-bola, voasambotra ka natao famotorana ny polisy roa lahy avy eto Antananarivo sy ireo olona roa ireo, ny 8 janoary teo. Notazomina noho ny fisiana tranga halatra kraoma koa izy ireo. Raha hiverenana, tonga tao an-tokantranon’ny mpandraharaha iray teratany Sinoa tao Antanandava ireo olona miisa efatra ireo. Nitondra fiara ny roa voalohany ka nitonona fa iraka manokanana avy amin’ny manamboninahitra mpanolotsaina manokana eo anivon’ny Fanavaozana ny Repoblika. Nilaza io andian’olona io fa haka sy hamindra toerana ireo kraoma efa aman-taonany maro. Nisava ny tokantranon’ilay mpandraharaha izy ireo. Nametraka fitoriana ilay mpandraharaha noho ny fisiana tranga hafahafa ka voasambotra ireo olona miisa efatra ireo. Natolotra ny fampanoavana ireto farany. Notanana am-ponja ny roa lahy raha toa ka navotsotry ny fitsarana ireo polisy roa lahy.
Sajo




