Maty tsy tra-drano, nipotsaka ny atidohan’ny lehilahy iray voahitsaky ny kamiao teo Ambodivoara, kaominina Ambohimangakely, omaly maraina. Nandeha tamin’ny sisin’arabe io lehilahy io, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso ny tranga. Nandalo ny kamiao lehibe iray mpitatitra entana. “Efa nangatangataka tamin’ny olona manodidina io lehilahy io talohan’izao tranga izao”, hoy ny fanazavan’ny lehilahy iray nijoro ho vavolombelona sady nanatri-maso ny tranga. Tsy tomombana ara-tsaina anefa io lehilahy io ka tsy nisy nanampo azy hitsoraka tampoka tany ambany kodiarana aoriana an’ilay kamiao io ny manodidina. “Toerana tsy ahafahan’ny kamiao mandeha mafy rahateo eo amin’io toerana io”, hoy hatrany ny fanazavana. Tampoka, voahitsaky ny kodiarana aorian’ny kamiao nandalo ilay lehilahy. Nivoaka ny atidohany ary tapitra teo no ho eo ny ainy. Nitangorona namantatra an’ilay lasibatra ny fokonolona saingy tsy nahitana taratasy mirakitra ny mombamomba azy teny amin’io lehilahy io. Tsy mponina eny an-toerana rahateo izy, araka ny fanazavana voaray. Nidina ifotony ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina Ambohimangakely naka ny nofo mangatsiakan’io namoy ny ainy io. Nampandalovina teny anivon’ny hopitaly manara-penitra Ambohimangakely, talohan’ny nitondrana azy teny amin’ny tranom-paty eo anivon’ny hopitaly HJRA. Notanana natao fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro filaminana ny mpamilin’ilay kamiao.
Tsiferana R.




