TSELATRA

Mpanao gazety, vehivavy, iray lasibatry ny mpanao sinto-mahery teny 67 Ha, Antohomadinika iny, afakomaly. Nosintomin’ireo olon-dratsy ny kitapo teny ami­ny. Nahodin’ilay jiolahy tampoka ihany koa ny tanany havanana ka voaroba, tamin’izany, ny vangovango teny aminy. Nandritra ny fitohanan’ny fifamoivoizana teny an-toerana ny nisehoan’izany. Nandositra ilay mpanendaka taorian’ny asa ratsiny. Mangataka fiaraha-miasa amin’ny manampahefana ny mpanao gazety sy ny mponina ma­noloana ny tranga toy izao.
Ganagana 29 isa nogiazana sy natao andrimaso eny amin’ny kaominin’Ambohitrimanjaka, omaly. Trara nitety asa teny an-tanimbarin’olona feno vary ireo vorona ireo ka tsy maintsy nosamborina. Ho saziana ny tompon’ireo biby fiompy satria tsy manaja ny fepetra sy ny lamina efa napetraka eny anivon’ny kaominina. Betsaka ny mponina nitaraina fa simba ny vary eny an-tanimbary manoloana ireo ganagana ireo.

Partager sur: