PM Rajaonarivelo Herintsalama : “Tsy vitan’ny fanjakana irery ny fampandrosoana”

Manampy sy manohana ny fiangonana amin’ny fidirana amin’ny fampamokarana ny fanjakana. Tsy vitan’ny fanjakana irery ny fampandrosoana, araka ny nambaran’ny praiminisitra.

“Tsy vitan’ny fanjakana irery ny fampandrosoana. Mila firaisankina sy fifampitokisana ary fifamenoana eo amin’ny fanjakana sy ny fiangonana ary ny vahoaka izany”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, omaly, tamin’ny fanokafana ny hetsika fiaraha-mientana sosialy ho an’ny fiarahamonina, izay asa ivelan’ny fiangonana ataon’ny FJKM. Hetsika tanterahina eny amin’ny Kianja Barea, Maha­ma­sina. Manampy sy manohana ny fiangonana amin’ny fidirana amin’ny fampamokarana ny fanjakana. Maro ny tetikasa sy programan’ny fanjakana ho fanohanana ny fampamokarana. Fizarana sakafo ho an’ny olona 6 500 isan’andro ny hetsika mandritra ny hateloana, fizaham-pahasalamana sy fitsabona maimaimpoana amina tranoheva 47, tolotr’asa sy torolalana fitadiavana asa hiarahana amin’ny orinasa amina tranoheva 34.
Iray amin’ireo andry lehibe iorenan’ny politika fampandrosoana ny sosialy. Laharam-pahamehana tsy azo ialana ny ady amin’ny fahantrana na ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka, ny famoronana asa ary ny fiarovana ny marefo. Izany no maha zava-dehibe ny fiaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny fiangonana. Tsy azo lavina na odian-tsy hita fa efa andry sy vato fehizoron’ny fiarahamonina malagasy hatry ny ela ny FJKM. Izay indrindra no mahatonga ny fanjakana miaraka amin’ny fiangonana ho mpiara-miombon’antoka stratejika amin’ny fanatanterahana fandaharanasa sosialy nasionaly. Mazava sy hentitra ny andraikitry ny fanjakana: manohana ny hetsika sosialy, mitondra vahaolana ho an’ny vahoaka, manamafy ny fiaraha-miasan’ny fiangonana sy ny fiarahamonina sivily rehetra, ary manangana politika sy fandaharanasa izay mametraka ny olona ho ivon’ny fampandrosoana.

R. Nd.

Partager sur: