FANTINA sy FINTINA

Sarotra be ny hitsara ny nahavita fa tomba-maso no hatao, satria tsy voafaritra mialoha ny asa, araka ny fanehoan-kevitry ny tonia mpanatanteraky ny Rohy, Andriamoraniaina Harijaona, momba ny hanaovana tomban’ezaka ny minisitra izay nomena fe-potoana roa volana. « Tsy fantatra mazava ny notakina tamin’izy ireo nandritra ny roa volana », hoy izy.
Navoakan’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) ny karaman’ny mpiasa volana desambra 2025, ao anatin’ny orinasa miisa 40 eo, an-dRavatomanga Mamy. Halefa amin’ny kaontin’ny mpiasa any amin’ny banky izany. Didiana ny banky mitana ny vola hanolotra ny lisitry ny mpiasa ka hitsinjarana ny karama mitentina 2 miliara ariary eo ho eo.
Fomba hampiadiana ny filoha Ravalomanana amin’ny filoha Randrianirina Mickaël ny fanaparitahana fa misy ny fiarahan’ny Tim sy ny TGV, araka ny nambaran’ny filohan’ny antoko Tsaratahafina, Paraina Auguste. « Tetika hanakonana ny filazana ampahibemaso efa nataon’ny filoha Ravalomanana fa manohana ny fitondrana izany », hoy izy.
Hatao any Toamasina indray ny fifampiarahaban’ny antoko Tim sy ny filoha mpanorina, Ravalomanana Marc, ny sabotsy 17 janoary izao. Hotanterahina ao amin’ny Magro, ao Tanambao, izany. Tsiahivina fa anisan’ny teny faneva voizina amin’izao fihaonana izao, nanomboka teny amin’ny Magro Tanjombato, ny « Minoa, sahia, mijoroa ».

Partager sur: