Tafiditra amin’ny firenena anaovan’ny Amerikanina fifampiraharahana amin’ny fandefasana mpifindra monina tsy ara-dalàna i Madagasikara. ”Tsy mbola nanome valin-teny mahakasika izany aho”, hoy ny kolonely Randrianirina Michael.
Nohamafisin’ny filohan’ ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, fa nisy tokoa ny iraka avy any Etazonia, niresaka momba ny fikasan’izy ireo handefa ny mpifindra monina tsy ara-dalàna aty Madagasikara. Nambarany kosa anefa fa tsy mbola nanome valin-teny momba izay izy, na eo aza ny resabe mandeha. Marihina fa nandritra ny fahatongavany an-tanindrazana, omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, no nilazany izany Ankoatra izay, nasiany tsindrim-peo koa ny momba ny fisavana ny entany teo amin’ ny fadintseranana. “Aoka tsy holotoina ny mpiasan’ny fadintseranana”, hoy izy momba ny entany tamin’ny diany ho any Abu Dhabi. “Izaho no nangataka hosavaina entana. Misy tanjona manokana iny. Nisy namana akaiky nilaza hoe zo fenon’ny filoham-panjakana eo amin’ny lalàna iraisam-pirenena ny tsy savaina entana. Amiko, ny fanajana ny fangaraharana no nanaovana iny fisavana iny. Tiako hampitaina fa na iza na iza, tokony hosavaina eny amin’ny seranam-piaramanidina. Tsy tokony hisy intsony entana mitsoaka any ivelany”, hoy izy nanamafy ny fanazavana.
Maro be ny voan-dalana
Maro ny fanaovan-tsonia tany Abu Dhabi, ary ho tombontsoa ho an’ny firenena malagasy. Ny fitokanana ny ozinina fanamboarana zezika any Toliara amin’ny volana febroary. Raha mandeha tsara izany, hitarina any Amboasary sy Toamasina. Eo koa ny fanamboarana ny lalamby any Toamasina sy Antsirabe ary Manakara; ny famelomana ny orinasa Air Madagascar, ny fampandehanana tsikelikely ny asan’ny Secren any Antsiranana. Misy fiaraha-miasan’ ny Tafika Malagasy amin’ny orinasa sinoa iray, mety hananganana orinasa fanamboarana fitaovam-piadiana eto an-toerana. Eo ny fanavaozana ny TVM sy ny RNM, ny seranan-tsambon’i Nosy Be, ny fanohizana ny asa fametrahana takelaka hahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro any Moramanga. Voaresaka koa ny amin’ny fametrahana masoivohon’i Madagasikara any Abu Dhabi.
R. Nd.




