Namoaka didy fampisamborana iraisam-pirenena ho an’ny governoran’ny Faritra Analamanga teo aloha, Rasoamaromaka Hery, ny fitsarana. Antony ny fametrahan’ny tomponandraikitry ny orinasa misahana ny fanamboarana ny trano Lac Village Ivato fitoriana. Voalaza fa ny tomponandraikitry ny Faritra Analamanga no sakana amin’ny fandoavam-bola. Ny orinasa Building Mora Lac Village Ivato no nahazo ny fifanarahana amin’ny fananganana trano sy fotodrafitrasa maromaro eo amin’ny Village Lac, Ivato, tamin’ny 2020. Efa navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny vola ho amin’izany, araka ny tatitry ny Tahirimbolam-panjakana, ary efa nalefa eny amin’ ny vondrombahoakam-paritra misahana azy. Telo taona aty aoriana, milaza ny orinasa niandraikitra ny fanamboa-rana fa tsy mbola naharay vola ary tsy afa-nandoa ho an’ ireo mpamatsy fitaovana azy sy ny karaman’ny mpiasa.
Izay no nisian’ny fitoriana ho an’ny mpiandraikitra ny tsenambaro-panjakana sy ho an’ny governoran’ny Faritra Analamanga tamin’izany. Ho an’ny fitsarana, fanodinkodinam-bolam-panjakana sy fanelingelenana ny fanatanterahana ny fifanarahana no vesatra anenjehana azy ireo. Manoloana izay, tsy eto Madagasikara ny governoran’ny Faritra Analamanga teo aloha. Noho ny tsy fahatongavany naharitra ela no namoahan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo, didy fampisamborana iraisam-pirenena ho azy. Tanana am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora kosa ny mpiandraikitra ny tsenambaro-panjakana tamin’izany.
R. Nd.




