Tokony ho eo anivon’ny ankohonany, aorian’ ny fanadihadiana natao aminy ny depiote sady minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, i Sahondrarimalala Marie Michelle. Io ny nambaran’ny depiote voafidy tamin’ ny anaran’ny Irmar tany Vohibato, Faritra Matsiatra Ambony, Razafinjato Aurélie Marie Augustine, mangataka ny famoahana azy izay mbola voatana hatramin’ izao. Tsy sakana amin’ny fanadihadiana tokony hatao ny famoahana azy, raha mbola misy ny ilàna izany.
Anio no hanaovan-tsonia ny fehin-kevitra tamin’ny fikaonandohan’ny mpanao politika teny Ankorondrano, ny 12-15 desambra lasa teo. Eny amin’ny efitra fivoriana, Kianja Barea, Mahamasina, no hanatanterahana izany, iantsoan’ny eo anivon’ny Komity fanavaozana ifotony an’i Madagasikara (KFIM) nikarakara izany ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fikaonandoha. Tanjona ny fampivondronana ireo mpisehatra politika hamerenan-kasina ny fanaovana politika.
Avelao aloha hiasa ny mpikamban’ny governemanta fa tsy tratra ny roa volana. Izay ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny GJMP tany Betroka, Faritra Anosy, Randrianasolo Jean-Nicolas, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Sarotra ny hitsara olona ao anatin’ny roa volana. Raha tsy ampy ny roa volana, angatahina ho dimy volana izany. Tsy mbola mivoaka azo hampiasaina hatramin’izao ny vola hiasan’ny governemanta.




