Miverina andoavana haba ny fanafarana takelaka mandeha amin’ny masoandro na « panneaux solaires ». Toraka izany koa ny fitaovana ahazoana ranomafana (chauffe eau). Antony, tsy niantraika tamin’ny mpanjifa ny fepetra nanafoanana ireo haba ireo. Nihatra nanomboka ny janoary 2026 teo io Sata vaovao mifehy ny Ladoany io. Tanjona ny fitoviana ara-ketra, ny fiarovana ny vokatra malagasy ary ny fanohanana ny fanarenana ny ara-toekarena. Misy ny ezaka hafa ataon’ny fanjakana hisitrahan’ny vahoaka angovo.
Efa niakatra ny 70% ny vokatra vary aloha eto amin’ny faritra Analamanga, indrindra ny eny Betsimitatatra sy Laniera. Efa masaka ihany koa ny ambiny ary tsy misy atahorana. Mandeha tsara ny fikorianan’ ny rano, noho ny fanadiovana natao, ka efa midina ny haavon’ny rano. Tsy misy ny loza mitatao ho an’ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina (Grand Tanà), fa mila miomana hatrany, araka ny fanazavana avy amin’ ny BNGRC.
Efa misokatra ny fizarana zana-kazo maimaimpoana novokarin’ny Dredd Sava. Fotoana tsara indrindra hanatanterahana ny fambolen-kazo izao fotoam-pahavaratra izao, satria manampy betsaka amin’ny fitomboan’ny zana-kazo. Azo atao ny manatona ny biraon’ny Dredd Sava eny Ambodisatrana, ny biraon’ny fokontany Ambariomiambana, ny biraon’ny TEF Farahalana ary ny kaominina Morafeno.




