Ankaraobato: Mpamongady lasibatry ny jiolahy nitam-basy

Nirefotra ny basy teny amin’ny kaominina Ankaraobato, ny alin’ny alakamisy 15 janoary teo. Tokantranona mpamongady iray norobain’ny jiolahy.

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Ankadi­nan­driana, kaominina Anka­raobato, ny alin’ny alakamisy 15 janoary teo. Niditra an-keriny tao amin’ny trano nisy ny fianakavian’ilay mpivarotra amina “grossiste” ireo olon-dratsy. Ni­tondra fitaovam-piadiana ny iray tamin’izy ireo ka nanapoaka basy. “Nahazo vola ireo mpanao ratsy ireo saingy tsy fantatra ny isany”, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao avy eny an-toerana. Natahotra ny ainy ny tompon-tsena lasibatra ka tsy sahy nanohitra nandritra ny tranga. Nifanen­je­han’ny mpitandro filaminana izay nahare ny zava-nisy ireo mpanao ratsy. Tafaporitsaka ireto farany ka nanao ny angom- baovao rehetra ny polisy miasa ao an-toerana taorian’ny fanafihana.

Voasambotra
Nanohy ny asany ny tomponandraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena, ny maraina. Lehilahy miisa telo voasambotra. Sarona teo am-pisotroana taorian’ny fitsikilovana mangingina nataon’ny mpanao fa­nadihadiana ny roa, araka ny loharanom-baovao. No­sam­borina tao amin’ny trano fonenany kosa, ny iray. Atao famotorana ireo olona ahiana ho anisan’ny nandray anjara ta­min’ity tranga fandrobana ity ireo. Tsy mbola nahazoam-baovao ny mombamomba ireo nitondra ny vola nandositra izay voalaza fa roa lahy. Mite­bi­teby noho ny fisiana tranga fanafihana mitam-piadiana ny mponina eny an-toerana ka miantso ny mpitandro filaminana hanamafy ny fanaraha-maso sy fisafoana amin’ny alina. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: