Notafihan’ny jiolahy miisa 12, nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy sy sabatra ary famaky, ny tsenam-barotra iray tany Ankilahila, kaominina Mitsinjo, disitrikan’i Toliara II, afakomaly tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Nodarohan’ireo olon-dratsy ny mpivarotra tao amin’ilay tsena, nandritra izany. Vokany, naratra mafy noho ny vono nahazo azy ity farany. Lasan’ireo olon-dratsy, nandritra izany, ny entana maro sy ny vola rehetra tao an-tsena.
Nampilaza ny zava-misy tamin’ny polisim-pirenena tany an-toerana ny iray tamin’ireo olona lasibatra. Tsy niandry ela, tonga haingana teny ifotony ny polisy avy amin’ny UIR, taorian’ny antso. Mbola tratra teo am-panaovany ny asa ratsiny ireo jiolahy, tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teny an-toerana. Raikitra ny fifanjevoana sy fifanenjehana teo amin’izy ireo sy ny andian-jiolahy. Nipoaka ny basy, lavo voatifitra ny iray tamin’ireo jiolahy, raha tafaporitsaka tao anaty haizina kosa ny ambiny.
Efa nentina haingana nihazo ny hopitaly moa ny olona naratra taorian’ny tranga. Mitohy kosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo jiolahy tafaporitsaka, ataon’ny polisy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny asan-jiolahy ny hetsika tahaka izao.
Mino




