Voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny kaompania Tanà Ville ny lehilahy iray nandroba lelavola an-tapitrisany tao amin’ny efitrano fatoriana teratany vahiny iray tetsy Analakely, ny 8 janoary teo. Nidiran’io lehilahy io antsokosoko ny trano nisy ny teratany vahiny, ny alin’ny sabotsy 2 janoary lasa teo. Nihevitra ho tsy nisy nahatsikaritra ilay mpanao ratsy ka nivoaka moramora tao amin’ ny trano fatoriana rehefa avy naka ny vola. Nitaraina ny lasibatra ka nanamarina tamin’ny horonantsary voarakitry ny “caméra de surveillance” ny tomponandraikitr’ilay trano fandraisam-bahiny. Hita, tamin’izany, ny lehilahy iray izay nitondra zavatra nibontsina tanaty kitapo nivoaka io efitra voalaza io. Nametraka fitoriana teny anivon’ny zandarimaria Tanà Ville ilay niharan’ny fandrobana. Nanao ny angom- baovao rehetra ny ekipan’ny zandary ka fantatra fa nialokaloka tany amin’ny tanindrazany, tao Amparafaravola, ilay mpanao ratsy. Nidinan’ny zandary tany an-toerana taorian’ny fanomezana alalana avy amin’ny fitsarana. Tratra tao Ambatomanga, kaominina Morarano Chrome, distrikan’ Amparafaravola tokoa ilay olona hita tamin’ny horonantsary. Lelavola 11 090 000 sarona tao anatin’ny kitapon’io lehilahy io taorian’ny fisavana azy. Nividy moto cross iray tamin’ilay vola halatra ihany koa ity farany. Nogiazana io moto io. Nentina niakatra ny Renivohitra izy ary naverina amin’ny tompony ny ambim-bola. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka nohazonina vonjimaika any am-ponja ilay mpandroba.
Tsiferana R.




