Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : “Miroso mamaha ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana”

Nihaona tamin’ireo solontenam-panjakana avy amin’ny fileovana manerana an’i Madagasikara teny Mahazoarivo ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, omaly. Nambarany fa mamaha ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana.

Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Miroso amin’ ny famahana ny hetahetan’ny vahoaka ny fitondram-panjakana”. Io no anisan’ny ha­fatry ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonari­velo Herintsalama Andriamasy, tamin’ny fihaonana tamin’ireo solontenam-panjakana na ny prefet avy amin’ny Fileovana manerana an’i Madagasikara, teny amin’ ny Lapam-panjakana Maha­zoarivo, omaly. Nitari­ka azy ireo tamin’izany ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandra­sana Hanitra Velonjara Tiaray. Ny fitantanana mahomby ary misy vokatra mivaingana azo tsapain-tanana eny ifotony no lalana sy antoka lehibe hanamafisana sy hamerenana amin’ ny laoniny ny hasin’ny fahefam-panjakana. Anisan’izany ny ezaka fanaovana tombana ny asan’ireo ben’ny Tanàna ma­ne­rana ny Faritra. Tsy maintsy mifototra amin’ny fahamendrehana sy ny fahasahiana ary ny fahavononana hiady amin’ny kolikoly kosa ny fitantanandraharaham-panjakana, araka ny nambarany. Ho fananganana fanjakana mahefa sy mangarahara ary akaiky vahoaka izany.
Manoloana izany ary ho setrin’izay kosa, naneho ny fa­havononany sy ny fanoloran-tenany ireo prefet amin’ny fa­natanterahana amim-pahi­tsi­ana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) ho amin’ ny fanavaozana, araka ny soatoavina repoblikanina. Hoka­tsa­hina hatrany koa ny tombon­tsoan’ny vahoaka malagasy.

R. Nd.

Partager sur: