FMI : Dinihina ny hanohizana ny famatsiam-bola

Tonga eto amintsika ny iraka avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Anisan’ny nodinihina ny hanohizana ny famatsiam-bola FEC sy FRD.

Mamita iraka eto Mada­ga­sikara ny Tahirim­bola iraisam-pirenena (FMI), ny 12 janoary hatramin’ ny 16 janoary teo. Nisy avy ha­trany ny dinik’asa natao teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, niarahan’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama sy izy ireo. Notarihin’i Lonkeng Constant sy ny solontena ma­haritry ny FMI eto amintsika, Eklou Kodjovi, ny delegasionina. Dingana voalohany nifanakalozan-kevitra tamin’ny governemantan’ny Fana­vaoza­na sy ny FMI ity notontosaina ity. Nampahafantarina azy ireo ny sori-dalana sy ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana malagasy. Nojerena ny fomba hitohizan’
ny fanohanan’ny FMI an’i Ma­dagasikara amin’ireo fandaharanasa fanarenana ny toekarem-pirenena. Nanotrona ny Praiminisitra nandritra ny fi­hao­nana voalohany, ny 12 ja­noary teo, ny minisitry ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola, Ramiarison Herinjatovo Aimé; ny minisitry ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, Rasoarahona Andrianirina.
Amin’ny alalan’ny Fampin­dra­mam-bola nitarina sy no­hamoraina (FEC) sy ny Fama­tsiambola hiatrehana maharitra ny fiovan’ny toetr’andro (FRD) ny fanohanan’ny FMI an’i Madagasikara. Ampia­saina amin’ny fanampiana ny tetibolam-panjakana ny FEC.

Fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro
Anisan’ny ivon’ny iraka ataon’ny FMI ny mahakasika ny FRD, miompana manokana amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Nitarika ny fifampidinihana ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) sy ny ao amin’ny Toekarena sy ny fi­tantanam-bola (MEF). Miara­ka amin’izy ireo koa ny sehatra rehetra voakasika mivantana. Nahitana ny minisiteran’ny Angovo (MEH), ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA). Teo koa ny Instat, ny Banky Foibe (BFM), ny OMH, ny fiarahamonim-pirenena (OSC), ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny Banky Afrika­nina ho an’ny fampandrosoana (Bad), sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: