Niara-namoy’ny ainy, nilatsaham-potaka ny zatovo mianadahy afakomaly tany Tsiroanomandidy. Naratra ny olona roa hafa. Nisy zaza roa koa main’ny varatra tany Anjozorobe, nieren-doza kosa ny iray trano.
Nampihorin-koditra ny tranga nahafatesana ankizy mirahavavy izay niaraka nilatsaham-potaka tao amin’ny fokontany Adabo Analatsifaka Andrefana, Mangarivotra Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, afakomaly. Niasa teny an-tsaha ny tovovavy miisa telo sy ny zazalahy iray 7 taona zafikelin’ny ray aman-drenin’izy ireo. 17 taona ilay zokiny indrindra tamin’izy telo vavy raha toa ka 16 sy 15 taona ireo roa hafa. Niverina hihazo ny tanàna ireo ankizy taorian’ny asa teny an-tsaha, ny tolakandro. Nilatsaham-potaka tampoka teny an-dalana hamonjy fodiana izy ireo. Voakasika tamin’izany ny hatok’ilay zokiny indrindra ary voa tao ambany heliny ilay zazalahy. Tetsy ankilany, voa mafy ireo roa vavy 16 sy 15 taona. Namoy ny ainy izy mirahavavy. Natsipin’ny varatra voalohany ilay zokiny ka maty teo no ho eo. Voa taorian’izay koa ny zandriny. Vokany, ankizivavy roa maty ary naratra ny rahavavin’izy ireo sy ilay zazalahy 7 taona.
Roa hafa naratra
Ankoatr’io, tokantrano iray tao Tsarasidina, fokontany Morafeno, kaominina Amparatanjona, distrikan’Anjozorobe, ny zoma 16 janoary lasa teo ihany koa nitrangan’izany. Nirefotra ny varatra ka nahavoakasika ny olona tao amin’ny trano lehibe iray, tamin’ny 10 ora alina. Nilatsaham-potaka tamin’io fotoana io ny zaza miisa roa, 11 taona sy 14 taona. Natory tao an-trano izy ireo ka main’ny tselatr’afo ny iray. Tsy misy ahina ny fahasalaman’ireo lasibatra, araka ny fanazavan’ny zandarimaria. Maty tsy tra-drano, nandritra io koa, ny omby vositra iray. Nomarihin’ny mpitandro filaminana fa tsara kokoa raha toa ka halavirina ny omby fa tsy atao mifanakaiky amin’ny trano fonenana ho fisorohana ny tranga tahak’ity tao Anjozorobe ity.
Tsiferana R.




