Vehivavy hita faty natsingevan’ny rano teny amin’ny Lavage Anosipatrana, afakomaly. Tsy nisy akanjo intsony io vehivavy io saingy mbola teny aminy ny kirarony.
Jiolahy roa lahy tratra namaky trano tao Mandrosoa Ivato, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 18 janoary teo. Toerana fikarakarana bika aman’endrika io lasibatra io ary efa nangonin’izy mirahalahy avokoa ny entana.




