Diplaomasia : Niditra anatin’ny BRICS i Madagasikara

Nitatitra ny dian’izy ireo tany Afrika Atsimo, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny sabotsy 17 janoary 2026 lasa teo. Voaresaka tao anatin’izany ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Brics.

“Fitsidihana arakasa no natao tany, nisongadina tamin’izany ny fihaonany tamin’ny filohan’i Afrika Atsimo, Ramaphosa Cyril “, hoy ny filohan’ny fanavoazana ny Repobikan’i Ma­da­gasikara, kolonely Randria­nirina Michaël, ny asabotsy teo, rehefa tafaverina an-tanindrazana izy sy ny delegasionina niaraka taminy. Maro ny lohahevitra nodinihina nandritra izany. Anisan’izany ny fangatahana fanampiana ha­nalana ny sazin’i Mada­gasikara eo anivon’ny Von­drona afrikanina. Fanekena ny fandraisana an’i Mada­ga­sikara ho mpiara-miombon’antoka sy handray anjara ao anatin’ny fihaonana an-tampon’ny Brics atao any Inde, amin’ny volana jona sy jolay hoavy izao, ihany koa. “Voaresaka tany ny fitadiavana vahaolana hirosoana mankany amin’ny Repoblika fahadimy sy ny fanolorantsika masoivoho vaovao any an-toerana”, hoy izy.

Nihaona tamin’ireo mpandraharaha
Ankoatra izay, nihaona tamin’ireo mpandraharahara any an-toerana ihany koa ny filohan’ny Fanavoazana ny Repobika. Anisan’ny voaresaka ny fomba hamelomana indray ny orinasa Sirama. Teo koa ny momba ny fanamboaran-dalana sy ny fanokafana ny lalana mankany Maintira­no. Nambarany fa efa misy ny orinasa vonona ny hisehatra amin’ny fifandraisan-davitra hoavy eto Madagasikara. Mba hanamorana ny dingana rehetra sy ny fanovana ny lalàna hisian’ny fifaninanana eo amin’io sehatra io, hialana amin’ny ampihimamba tsy hahafahana mampidina ny saran’ny internet izany. Nodisoany ny filazana fa nandeha tsy an-kiteniteny tany Afrika Atsimo ny tenany. Nohamafisiny fa nisy delegasionina sy minisitra nanatitra azy tany. “Lasa resaka mampihomehy fa tsy mampandroso an’i Madaga­sikara no hita ao amin’ny facebook” hoy izy. Raha tsiahivina, efa tany amin’ny taona 1994 no nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny firenena roa tonta ka izao nohamafisin’ny Filohan’ ny Fanavaozana ny Repobika izao.

Mino

Partager sur: